<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Ry Jeso Mpamonjy malala !
 Indreto ny mpanomponao ;
 Raha misy izay mankahala,
 Matoky, fa manana Anao.
 Jereo, Jereo !
 Fa vonon-kanaraka Anao.
 (in-2)

[V2]
 Ny tafika ataon'i Satana
 Milofo hamotraka anay ;
 Avia, ry Jeso mitantàna,
 Fa mioman-kandresy izahay.
 Jereo, Jereo ! .. sns.

[V3]
 Na zovy mioman-kandrafy,
 Irinay hanaraka Anao ;
 Na iza hisakana mafy,
 Hijoro, fa manana Anao.
 Jereo, Jereo ! .. sns.

[V4]
 Ireo nentinao voatantara
 No feo mampahery anay ;
 Ny tokin'ireo Maritiora
 Faneva mitarika anay ;
 Jereo, Jereo ! .. sns.</lyrics>
<title>Ry Jeso Mpamonjy malala FFPM638</title>
<hymn_number>638</hymn_number>
<author>J. McGranahan</author>
</song>